<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>669</hymn_number>
<title>He, tazako ny laln-tery, FFPM669</title>
<lyrics>[V1]
 He, tazako ny lalan-tery,
 Izay misy fahoriam-be,
 Kanefa feno hira, re ;
 Fa na miady, tsy ho very.
 Ny mino izay mizotra eo,
 Na misy mafy aza eo,
 Hahazo lakrona.

[V2]
 He, tazako Sakaiza mora,
 Mpanala fahoriam-be,
 Mpiaro soa, Mpanome
 Ny toky tsara isan-ora ;
 Sakaiza feno herim-po,
 Mamonjy amin'ny manjo ;
 Sakaiza tsy manova.

[V3]
 He, tazako ny lamba soa
 Omena ny voavotra
 Ho fanesoran-keloka
 Sy fanavaozana azy koa ;
 Fa Jeso efa nanome,
 Ny rany sarobidy re,
 Ho fanadiovana azy.

[V4]
 He, tazako ny andro avy,
 Izay hialako sasatra,
 Ka ny ririnin'efitra
 Hanjary lohataona mamy ;
 Ka any vao hivelatra
 Ny vonindraozin-danitra
 Ao amin'ny Edena.

[V5]
 He, tazako ny voavonjy
 Ao amin'ny Mpampakatra,
 Dia ao an-tampon-danitra,
 Izay niakaran'ny Mpamonjy ;
 Miravoravo izy ao,
 Mihira fideram-baovao
 Ho an'ny Zanakondry.</lyrics>
<author>C. Israel Sandstrom</author>
</song>